Bonbon voanjo 2

725

ODY AM -BAVA FO : BONBON VOANJO - 
 

Zavatra ilaina : 

voanjo (izay ilainao)
siramamy ( 1/2 ka hatramin'ny 2/3 n'ny fatran'ny voanjo )
arakaraka ny fitiavana mamy (ny ahy kapoaka no famarako azy)

Fikarakarana azy :

- voasana ny voanjo voaendy, potipotehina kely amin'ny tavoahangy na "rouleau"
- atsonika ny siramamy, dia arotsaka ilay voanjo voapotika, afangaro haingakaingana
- rehefa mifangaro tsara dia apetraka eo ambony latabatra na eo amin'ny "plateau" hazo
- fisapisahana haingana dia avy eo tetehana araka izay habe tiana (mila haingakaingana fa mora mafy dia manjary vakivaky refa manapaka azy).

Mazotoa o !

nahandron'i Virginia Razafy Harison 
 

Catégorie: