Bononoka nendasina

647

ODY AM -BAVA FO : BONONOKA NENDASINA

Zavatra ilaina :

bononoka
ranon-tsiramamy nasiana hanitra voanio
menaka hanendasana

Fikarakarana azy :

- Mividy bononoka dia esorina ny fakany,
- alona amin'ny ranon-tsiramamy misy hanitra voanio ny bononoka mba tsy ahenoina ilay fofony,
- afanaina amin'ny lapoaly ny menaka kely, dia arotsaka ny bononoka ; rehefa mendy dia avadika amin'ny lafiny hafa.
- Vita dia azo hohanina, ampiarahana amin'ny kafe na ronono na yaourt, ny ahy teto "jus garana".

Fanamarihana :
Raha tsy tiana ho rava ny endriny dia tsy esorina ilay fakany

Mazotoa o !

Nahandron'i Lah Randria

 

Catégorie: