Boules de fuits glacés

554

Raha vao vokatra ny voankazo dia mba manararaotra e !

"BOULES DE FRUITS GLACÉS" :
ILAINA :
akondro 1/2kg
mananasy 1
manga 2
rotra 1kp
ronono mandry 2sotro
siramamy izay tiana
voloboka maina
"crème pâtissière" na "chantilly asiana colorant kely"
sokola natsonika (tsy voatery)
solila

FIKARAKARANA :
- Alaina ny nofon'ny rotra, voasana ny akondro sy ny mananasy dia tetehana
- Mixer-na miaraka daholo ny voankazo rehetra, asiana siramamy, aroina tsara, avy eo asiana ilay ronono mandry dia rarahana voaloboka maina
- aroina dia atao anaty boaty ary alefa ao anaty "congélateur" mandritry ny alina.

- Rehefa hihinana ny gilasy, dia loarana ambony "sous tasse", asiana "crème pâtissière" efa vonona (izay no nananako teto fa afaka atao "chantilly asiana colorant kely") , somary rarahana sokola natsonika, ary haingoana amin'ny solila, mazotoa homana!

 

Nahandron'i Lah Randria

Catégorie: