boulette de poisson

171

BOULETTE DE POISSON

recette 1 de Sand Rand

Alonako ny morue, solosoloiko matetika ny rano, dia mbola alonako indray alina,

rehefa hanao azy amin'zay dia potsipotseriko ny morue asiako poivre, sy kotomila (na persil izay tiana eo),

dia mba tsy hampiparitaka azy dia rouler-ko kely anaty lafarina!

par contre mila manandrana kely ra ampy ny sira na manampy kely!

atao frite anaty lapoaly lalindalina dia aza atao mamay be loatra ny menaka

 

recette 2 de Holinirina Ramanankasina

alaivo ny nofon-trondro mbola manta iny, dia poteho amin'ny tanana ary esory daholo ny taolany;

asio izay épices tianao: sira poivre coriandre ciboulette sns,

asio maïzena mandram-pitambatr"ilay nofon-trondro, dia manaova toy ny hena baolina,

ampangotray ny ranon-tsira, dia rehefa mivadibadika dia alefaso ao ilay nofon-trondro efa lasa baolina, ka raha vao mitsikafona dia efa masaka izy izay.

Raha ohaninao amin'ny lasopy dia efa vita izy izay, fa raha ohaninao amin'ny vary ohatra dia mbola mila endasina,

Ka kapohy ny atody dia atsoboy kely ao ilay boulette efa nahandroinao iny dia alefaso anaty menaka mafana avy eo,

manaova sauce voatabia sy tongolo ary tongolo gasy sy coriandre dia alefaso ao indray ilay boulette efa mendy; dia vita

 

Recette de Onitriniaina BOULETTES CHINOISES

miaraka mixer-na ny totonkena (na nofon-kisoa) 250g, 2càs fécule, 1oeuf, 1càs sauce soja, 1càc sel, 1càc sucre, 2càs eau froide, 1càc levure chimique, céléri na kotomila kely.

ampidirina congélateur 30mn, tsy avela hivaingana.

atao boribory, alatsaka anaty rano mangotraka dia esorina vao mitsingevana.

afanaina ny menaka dia endasina ho mandina,tsy atao mendy.

Mazotoa daholo indray ary

Catégorie: 

Commentaires

Tokony natokana ilay boulettes chinoises satria tsy trondro