Bricks au thon

327

BRICKS AU THON 

Zavatra ilaina :

- brick eny amin'ny grande surface 1 paquet (zany hoe misy feuilles 8 ao anatiny), na ilay pâte -na nem eo amin'ny pavillon reo dia efa mety 8 no ilaina.
- Ovy 4 lehibe 
- Atody masaka 2
- Atody manta 2
- Thon amin'ny boite 250g 1
- Kotomila 1fehezana 
- Sira sy poivre tsy adino

Fikarakarana azy :

andraoina amin'ny rano ny ovy sy ny atody 2 , rehefa vita zay dia potserina ny ovy efa masaka ary dia afangaro ao daholo ireo zavatra ilaina voatanisa etsy ambony, dia alaina ny pâte na brick izy lay boribory iny, raha lehibe miotra ny sarom-bilany ny feuille 1 dia afaka avalona 2 ilay izy, fa raha kelikely kosa dia tsy mila avalona, ka tonga dia alefa eo ampovoan'ilay feuille ny fangaro etsy ambony atao 3 sotro fihinana ny habetsany, fa afaka atao latsaka na mihoatra arakaraka izay hitiavana, dia avalona 4 amin'izay ary dia endasina amin'ny menaka mba mahamendy azy fa tsy atao menaka be. 

dia mazotoa indray tompoko

de Joëlline Raveloarivony

 

Catégorie: 
Matériels: