Brioche au sésame

Portrait de Angie
1078

BRIOCHE 

ZAVATRA ILAINA :

 
lafarina 1kg
siramamy 200g (na izay tiana)
lalovay na hoe "levure boulanger" 1 fonosana (2 sotro fihinana)
menaka 5 sotro fihinana
atody 2 ny iray atao (dorure.)
sira 1sotrokely
rano iray vera
voamaho  na hoe "graine de sésame"

FIKARAKARANA AZY

- afangaro ny siramamy, menaka, lalovay, atody 1, sira, rano, dia kapohana tsara
- ny lafarina no arotsaka farany, volavolaina mandritra ny 5 minitra ka rehefa tsy miraikitra amin'ny tanana dia mety.
- atao anaty bol dia saronana lamba mba hitombo mandritry ny ora iray .
- avy eo, volavolaina hahazo endrika izay tiana ka atao anaty "plateau"; dia avela hijanona mandritra ny 30 minitra ( miakatra tsara izy amin'izay)
- avy eo hosorana ilay tamenak' atody iray voakapoka ny mofo, rarahana voamaho (sésame) raha tiana;
- andrahoina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha amin'ny hafanana 180°C mandritry ny 30 - 40 minitra

Mazotoa o!

Nahandrin'i Rina Elintsoa 1.12,2017

 

Catégorie: