Brownies au chocolat

990

ODY AM-BAVA FO : "BROWNIES AU CHOCOLAT" 
Nahavita 2 plats, namana Turque no nanoro ahy azy ity, ka mety tsy hitovy amin'ny brownies mahazatra antsika

ZAVATRA ILAINA : (izay vera ampiasainao mety foana)
lafarina 2 vera
lalovay simika 11g (1 fonosana) 
atody 4
siramamy 2 vera
menaka 1vera
ronono na rano 2 vera
sucre vanillée 1fonosana (azo soloina lavanila fotsiny)
cacao 6 sotro fihinanana
vovoka voanio maina (na koa amande effilée)

FIKARAKARANA AZY :
- Afangaro ny atody, siramamy, menaka, ronono na rano, sucre vanillée ary cacao
- Hakana 1 vera io dia atokana atao saosy
- Arotsaka ao amin'ny fangaro teo aloha amin'izay ny lafarina 2 vera sy lalovay simika. Aroina tsara. Mahazo paty mandranondranoka.

- Maka "plat en verre" mahazaka hafanana, hosorana menaka kely, dia alefa ao ny paty.
- Afanaina milaoha ny lafaoro 220°C, alefa ao ny nahandro dia masahana mandritry ny 30 minitra eo, ampiana kely raha mbola tsy ritra.

- Rehefa masaka dia avoaka avy ao anaty lafaoro, tsindrontsindronina amin'ny sotro rovitra, dia rarahana ilay saosy natokantsika tamin'ny vera teo ho mando tsara (*** hitako tsy nahenika ilay 2plats ilay saosy 1 vera natokana, dia nampiako ronono ho tonga 2vera, dia samy nandrotsahana 1vera avy ny mofomamy)
- raradrarahana vovoka voanio maina na koa "amande effilée" dia azo hohanina

Fanamarihana : 
1) afaka atao anaty boaty plastika dia ampidirina anaty "congélateur" izy ity, avoaka mialoha fotsiny rehefa hihinana azy.

2) Afaka tsy tondrahana saosy ihany koa, fa zaraina toy ny mofomamy rehetra maimaina raha hohanina avy hatrany. Amin'izay fotoana izay, tsy mila manokana ilay saosy 1vera.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: