Buche glace

421

PARFAIT GLACE na BUCHE GLACE

ILAINA :
tamenak'atody 8
siramamy 200g
"crème liquide" 250ml 
voankazo 300g (mananasy izy eto)
"gélatine" 15g (raha parfum roa dia zaraina roa ny gélatine)  mety na "feuile de gélatine" aza no hitanao eo @ 8g eo iny "feuille" iray iny

FIKARAKARANA :
1- andrahoina @ rano kely ny siramamy, rehefa madity tsara dia sady kapohina ny tamenany no arotsaka tsikelikely ao ny siramamy mamay iny, rehefa mangatsiaka tsara io fangaro io vao ajanona ny fikapohana
2- "mixer"-na ny voankazo dia andrahoina kely (asiana siramamy kely raha marikivy )
3- lomana rano ny "feuille de gélatine" dia fihazo tsara, avy eo dia arotsaka ao @ voankazo nandrahoina (izy mbola mafana no arotsaka handevonana ny gélatine), asio colorant jaune kely dia mavo tsara (fruits collés à la gélatine)
4- atao "chantilly" ny "crème liquide"
maka kely amin'io "chantilly" io dia asiana chocolat kely natsonika atao haingony ambony "glace", araraka anaty lasitra io dia atao anaty "congélateur"

5 - zarao roa ny tamenany voakapoka, ny "chantilly" koa zaraina roa :

- ny iray amin'ilay nozaraina asiana an'ilay voankazo nandrahoina (rehefa mangatsiaka tsara vao afangaro)
- tsapaina ilay natao tanaty "congélateur" ka rehefa mafimafy, dia araraka eo ambonin'io io fangaro io dia averina "congélateur" indray

- ny faharoa amin'ilay nozaraina : afangaro ny chantilly sy ny tamenany voakapoka, afangaroy tsara, tsapaina indray rehefa mafimafy ilay tany amin'ny "congélateur", dia araraka eo ambonin'io indray io fangaro faharoa io.

Dia ohatr'izay hatrany, ary arakarak'izay loko ampiarahanao
atao anaty "congélateur" mandritry ny 5ora fahafahakeliny,

Mazotoa o 

 nokarakarain'i ‪‎Lanto‬ Raharinavalona)

Catégorie: