By Andry Rakotomavo
Caca pigeon
Soumis par Andry Mamina le jeu, 03/30/2017 - 23:28
969
TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO : CACA PIGEON SY VOANJO
ZAVATRA ILAINA :
lafarina 500g
lalovay 1 fonosana
menaka tapaky ny boaty yaourt
sira
dipoavatra kely
curcuma kely
menaka fanendasana
voanjo
FIKARAKARANA AZY:
Maka tsatokaty dia afangaro ao daholo ireo zavatra ilaina rehetra afatsy ny voanjo dia volavolaina tsara , ka rehefa tsy miraikitra dia vita ny paty.
Raha manana milina na hoe "machine" fanaovana azy dia atao, na koa fisahana dia tetehina araka izay habeany tiana.
Endasina amin'ny menaka betsaka
Rehefa vita dia apetraka ambony taratasy na "essuie tout" mba hitsika tsara ny menaka
Endasina mitokana ny voanjo dia afangaro fotsiny ireo avy eo.
Nahandron'i Rakotoarisoa Harilala Anjarasoa
Mazotoa o !
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire