Caca pigeon

969

TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO : CACA PIGEON SY VOANJO

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 500g
lalovay 1 fonosana 
menaka tapaky ny boaty yaourt
sira 
dipoavatra kely 
curcuma kely 
menaka fanendasana 
voanjo

FIKARAKARANA AZY:

Maka tsatokaty dia afangaro ao daholo ireo zavatra ilaina rehetra afatsy ny voanjo dia volavolaina tsara , ka rehefa tsy miraikitra dia vita ny paty. 
Raha manana milina na hoe "machine" fanaovana azy dia atao, na koa fisahana dia tetehina araka izay habeany tiana. 
Endasina amin'ny menaka betsaka 
Rehefa vita dia apetraka ambony taratasy na "essuie tout" mba hitsika tsara ny menaka 
Endasina mitokana ny voanjo dia afangaro fotsiny ireo avy eo.

Nahandron'i Rakotoarisoa Harilala Anjarasoa

Mazotoa o !

Catégorie: