Cake

Portrait de Angie
1058

CAKE AUX YAOURTS

Cake natao goûter ho an'ny ankizy

ZAVATRAI ILAINA

lafarina:1kg
Atody:10
Siramamy 3/5 pot yaourt
Ronono 4 pot yaourt
Menaka 2 pot yaourt
Yaourt nature 2 pots
Sira 3 tsongo
Lalovay simika 1
Hoditra voasary voakiky 1sotro kely

FIKARAKARANA AZY:

Sivanina tsara ary nafangaro ny lafarina, lalovay, sira nafangaro tsara rehefa avy eo nosaromana lamba (torchon)

Ny paty :maka bol dia atao ao ny atody 5, nampiana tamenakatody 5 ary siramamy miaraka ahodina , arotsaka tsikelikely ny ronono, menaka, yaourts mandrampahavita azy.

Kapohana ilay tapotsin'atody 5 ary atao mibotsina ho fotsy tsara "en neige" ary azo asiaa sira kely

Rehefa izay dia atambatra ka arotska ao anaty paty ilay misy atody  ilay lafarina sy lalovay avy eo alefa tsikelikely ny tapotsiny efa niakatra "en neige ferme" , afangaro moramora eto avy any ambany no miakatra ary arotsaka ao anaty lasitra efa nasiana menaka mialoha. 

FAHANDRO AZY:

Hafanana 200 c ,mandritry ny 50 minitra ary atao afo ambony sy ambany

mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Brandy Abigaëlla Morgane‎

 

Catégorie: