Cake au carotte

Portrait de Angie
1136

CAKE AU CAROTTE – MOFOMAMY KAROTY

Miarahaba anao mpanaraka ny Mamina, dia mazotoa mampiatra fa mora tokoa izy ity ary dia malefaka tsara 

ZAVATRA ILAINA

karoty 300g
Siramamy 200g
Dibera 150g
Atody 2
Lafarina 200g
Lalovay simika 1 fonosana
kanelina vovony 1 sotrokely
voaloboka maina 100g
Ronono tapaky ny vera kelikely

FIKARAKARANA AZY  
Hafanaina mialoha ny lafaoro amin’ny hafanana 180°
Hosorana dibera ny lasitra na menaka kely dia fafazana lafarina

Sasana tsara ny karoty dia kikisana madinika kely.
Kapohana ny siramamy sy atody ka rehefa levona tsara ny siramamy dia arotsaka ny dibera efa natsonika ary kapohina hifangaro tsara.
Arotsaka ny karoty voakiky , ny lafarina efa voasivana miaraka amin’ny lalovay dia afangaro tsara ireo dia arotsaka farany ny ronono ary ny voaloboka maina ka rehefa mifandray tsara dia arotsaka anaty lasitra

Ampidirina anaty lafaoro efa mafana tsara ka 50 minitra eo no faharetany rehefa izay dia tsatohana ny antsy , rehefa tsy misy manaraka intsony dia vita

Mazotoa o

Nahandro sy sarin'i Fanirizo Arimalala - 18.05.18 

 

Catégorie: