Cake au thon ou poisson

1114

CAKE AU THON ou POISSON ou CREVETTE 

ZAVATRA ILAINA

lafarinina 200gr,
 atody 3,
ronono iray vera,
menaka antsasaka vera, (na dibera)
lalovay iray sotrokely (lévure)
“thon nature” amin'ny boaty 200gr,
 oliva mainty sy maitso
fromazy mafy voakiky iray tanana feno be 
voatabia nohamainina milona anaty menaka raha misy

FIKARAKARANA AZY

Hafanaina ny lafaoro 200°C

Homanina ny lasitra ka asiana menaka kely sy lafarina, na “papier cuisson”

afangaro tsara ny lafarinina sy ny lalovay. Dia arotsaka tsirairay ny atody dia afangaro tsara. (sary 1)

Arotsaka indray ny ronono dia afangaro tsara. Avy eo ny menaka (menaka ôliva no nampiasaiko fa azo ovaina menaka hafa fa an-javamaniry ohatra tanamasoandro ....) Sary 2

Avy eo arotsaka ny ôliva izay efa nesorina ny voany dia notetehina madinika amin'izay miparitaka tsara ao anaty mofo

Raha misy ilay voatabia maina nilona menaka dia atsika tsara aloha dia tetehina ihany koa. Sary 3

Arotsaka indray ny fromazy voakiky rehefa fromazy mafy voakiky  dia mety avokoa ohatra ny gruyères na emmental. Sary 4

Lasitra ngezangeza kokoa noho ny fanaovana "cake" no nampiasaina eto. Azo  ampiasaina izay lasitra misy ao an-trano.

FAHANDRO AZY:

  • lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony . 40 minitra eo fa milamila jerena matetika anefa 
  • Lafaoro  vazaha: 200 dgr, mandritra ny 35 -45 minitra fa miankina amin’ny habean'ny lasitra sy ny lafaoro io

Tsatohana antsy ka rehefa maina tsara ny lelan’antsy dia vita izay

FANAMARIHANA
- Raha thon amin’ny menaka dia ahena ny fatran’ny menaka
- Ny thon dia azo soloina nofon-trondro efa masaka izay tiana na koa makamba (crevette) efa miala ny hodiny sy tsinainy
- tsy misy sira eto satria efa masira avokoa ny akora : thon, fromazy, oliva ary voatabie nilona, koa afaka ovana araka izay tianao fa mila mitandrina tsy ho be sira,
- Azo ampiana na ovaina legioma masaka na izay sesika tiana moa fa mitovy ihany ny fanaovana azy
- Azo hoanina miaraka amin'ny mayonnaise na salady raha tiana
 

mazotoa o

Nahandron’i Joelle Philippe  26.01.18

Catégorie: