Cake aux fraises et mascarpone

819

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : CAKE AUX FRAISES ET MASCARPONE 

ZAVATRA ILAINA

Tamenakatody 3
atody 1
dibera kely 125g (azo soloina menaka ½ boaty yaourt )
siramamy mena 180g
lafarina 1800g
lalovay simika ½ fonosana
mascarpone 180g
hodimboasary makirana voakiky
ranomboasary makira lehibe 1
kaofitiora frezy (vita an-trano raha misy)
 

FIKARAKARANA AZY

1/ Atsonika moramora ny dibera dia esorina ilay raotrany ambony
2/ Anaty tsatokaty dia kapohana ny tamenakatody sy ny siramamy mandrapahazo rihatra milefaka tsara
3/ Arotsaka ny lafarina sy lalovay efa voasivana dia asia ny hodimboasary makirana voakiky
4/ arotsaka ny dibera nitsoka sy ny mascarpone, ny atody iray ary ny ranomboasary makirana rehefa mifangaro moramora ireo dia mahazo paty malama tsara
5/ Asio "papier cuisson” ny lasitra (na dibera norarahana lafarina kely ), arotsay ny antsasaky ny paty ary asiana ilay kaofitiora atao mitovy haavo tsara, avy eo saromana ny ambin’ny paty
6/ Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ka tokony ho masaka 40 - 45 minitra amin’ny maripana 180°C atao ilay hafanana miodina na hoe “chaleur tournante”,

Mazotoa o 

Nahandron'i Lova Petit Rama - Graine de faim kely

Catégorie: