Cake aux olives et jambon

1031

Miarahaba o
ODY AM-BAVA FO na SAKAFO FENO : CAKE AUX OLIVES ET JAMBON

 Tsotra kely indray ity , sady azo atao goûter no afaka atao sakafo.

ZAVATRA ILAINA
- lafarinina 150g
- jambon 200g
- oliva100g. Mainty ny nampiasaiko fa mety koa na maitso aza
- atody 3
- fromazy voakiky 70g
- ronono 10cl
- lalovay simika 11g
- menaka 1 sotro fihinana

FIKARAKARANA AZY:

Tetehina ny oliva sy ny jambon
Afangaro ny lafarinina sy ny atody
Arotsaka avy eo ny ronono sy ny menaka 
Rehefa mifangaro ireo dia atao ao ihany koa ny jambon, oliva ary ny fromazy voakiky
Arotsaka farany ny lalovay. Atao mifangaro tsara

Atao anaty moule efa nosorana dibera ary anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ka 180° mandritra ny 45 minitra eo dia masaka

Azo aroso amin'ny lasary atao ody am-bava fo na sakafo mahaleo tena

Mazotoa homana tompoko ô

Nahandron' i Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa

Ingrédients: 
Catégorie: