Cake aux pommes

Portrait de Angie
744

ODY AMBAVA FO na SAKAFO MARAINA : CAKE aux POMMES 

ZAVATRA ILAINA

-Lafarina 350g
-Atody 4pc
-paoma 4pc
-Rano tsotra na ronono 1 vera
- voasary makirana 1/2 
-Siramamy 100g na izay mahamamy azy @ izay tina
-"Extrait de vanille" 2 sotro kely 
- Lalovay na karibonetra 2 sotro kely 
- "Sucre de vanille" 2 sotro fihinana 
- potimofo kely
- Dobera 150g

FIKARAKARANA
Voalohany indrindra dia afanaina mialoha ny lafaoro (180° raha toa mandeha "courant" , raha "gas£ kosa indray no ampiasaina dia 160 ny hafanana ilaina, ary raha toa ka lafaoro gasy na vilany dia amin'ny antonony ny hafanana ilainy ary mila araha-maso matetika 
45mn na 50mn ny fahamasahany ary avela ao anaty lafaoro izy mandrapangatsina , aza adino ny mamono ny lafaoro (off)
Ny fomba nanaovako azy dia notetehina manify ny paoma ary nandrahona tsy atao masaka (5mn) avy eo narotsaka ny citron sy ny siramamy 2 sotro finanana. 
Nataoko tao anaty baolina lehibe avokoa ireo zavatra ilaina voalaza etsy ambony dia nokapohina mandra-palefaka sy mampifangaro azy tsara.
Hosorana dobera ny lasitra izay tiana dia avy eo afafy eo ambonin'ilay lasitra nosorana dobera ny potimofo na "chapelure", arotsaka ao anaty lasitra ny paty efa voakapoka dia araraka eo amboniny ny paoma izay avy nandrahoina, vita izay rehetra izay dia miandry ny fahamasahany sisa isika. 

mazotoa o 
nahadron'i Prisca Randriharimalala

Catégorie: