Calamar farci

807

LAOKA RITRA: CALAMAR FARCI

ZAVATRA ILAINA :

- ho an'ny calamar
calamar izay isa tiana
tongolo gasy izay tiana
divay fotsy
menaka oliva
persila voatetika 1 sotro

- ho an'ny sesika
tongolo gasy izay tiana
totonkena izay tiana na omby na henakisoa
divay fotsy 1pot yaourt
persila voatoto 2 sotro
menaka oliva
atody 1 na 2
fromazy parmesan
atimofo kely
sira
dipoavatra

FIKARAKARANA AZY:

Saosao tsara ny calamar raha mbola frais
izany hoe esorina aminìny vatany ohatry ny paosy iny ilay lohany sy izay rehetra manaraka azy ka mila atao madio ilay vatany, somary potserina dia mivoaka avy ao amin'ilay paosy daholo ny ao anatiny , esory moramora ilay hodiny ivelany
tsy ariana kosa ilay lohany fa esorina amin'ny antsy ilay eoambony masony sy ny nifiny somary potserina fotsiny dia miala
rehefa miala ireo dia diovy amin'ny rano madio amin'ny paompy.
Azo atao izay fahandro tiana.

Eto izany dia voasesika no atao
- atokana ilay paosy be izany hoe ny vatany , fa tetehana madinika kosa ny ambiny (jereo sary eo amin'ny commentaires)
- Maka lapoaly dia asiana menaka oliva sy tongolo gasy voatetika majinika , ka rehefa mahazo tsiro fa tsy may an , dia arotsaka ny totokena dia avela kely eo aloha avy eo arotsaka ny calamar ilay voatetika madinika kely aloha dia avela haka tsiro kely ary ho ritra tsara,
- asio divay 1 boaty yaourt raha tianao dia avela hiala ny entona,
- mandritra izany dia ampandalovy rano kely ilay atimofo mba halemy ka fihazo tsara dia arotsay ao anaty ilay lapoaly haka tsiro koa.
- arotsay koa ny persila voatetika madinika dia afindrao anaty bol amin'izay.
- arotsay ao ny atody 1 na 2 tsy mila kapohana an fa araka izay habetsaky ny calamar sy ny fromazy parmesan ary ny sira sy dipoavatra araka izay tiana dia hafangaroy tsara hanome paty mitovy.
- arotsay ao ny atody 1 na 2 tsy mila kapohana an fa araka izay habetsaky ny calamar sy ny fromazy parmesan ary ny sira sy dipoavatra araka izay tiana dia hafangaroy tsara hanome paty mitovy ary tazomy amin'ny "cure-dent" ny sisiny.
- averina asiana menaka ny lapoaly arotsaka ny tongolo gasy roa vaingany dia alahatra ao ny calamar efa voasesika atao afo malefaka mba ho menamena tsara asiana sira kely indray
- rarahana ilay divay fotsy indray mba haka tsiro
- avadibadika moramora ary saromana dia avela hiketrika 10 minitra eo rehefa masaka dia rarahana persila voatetika indray dia aroso

Fanamarihana: ny italiana dia mampiasa persila foana rehefa trondro fa afaka ovaina tongolo maintso na kotomila raha tiana
Tsy andrahoina elabe ny calamar 10min à 20 min ihany araka izay fomba hanaovana azy
- azo tsy asiana atimofo ao anatiny ,
- azo rarahana "chapelure " ho lasa mikarepoka kely alohan'ny farany
- Azo atao anaty lafaoro 200 degré 10 min: rehefa voasesika dia atao ambony "plaque" efa nasiana taratasy fanao amin'ny lafaoro dia asiana menaka kely, apetraka ny calamar voasesika dia raharana menaka kely indray sy "chapelure" dia ampidirina lafaoro

Mazotoa 

Sary fampiharan'i Sandyvon Anjaranantenaina

 

Catégorie: