Calamar frity

808

LAOKA NA TSAKITSAKY : CALAMAR FRITE 

Zavatra ilaina :

calamar,
lafarina,
sira,
voasary makirana, 
menaka fanendasana

Fikarakara azy :
tetehina ny calamar efa voadio tsara araka izay habeany tiana dia atao anaty "sachet" lehibebe, rarahana lafarina ao ary dia hidina hibotsina tsara toy ny balon ary ahotsakotsana tsara, eo izy dia mandray ny lafarina mitovy daholo fa tsy mitazona izay mihoatra loatra. (azo atao anaty boaty lehibe koa dia atao toy io ihany)
maka vilany avo tsy dia lehibe loatra fa tsy lapoaly fisaka, hafanaina tsara ny menaka mandifotra azy dia endasina tsikelikely mba tsy hampiova ny maripana loatra, tsy atao elabe fa mora masaka raha vao elabe ao dia vao maika mihamafy , noho izany tena vao miova loko dia esorina, atao ambony "essui tout" na taratasy "emballage" ireny mba hifoka ny menaka dia aroso mafana miaraka amin'ny voasary makirana .

Mazotoa indray ary o

Catégorie: