By Andry Rakotomavo
Cannelés de bordeaux
CANNELES DE BORDEAUX
Zavatra ilaina :
Ronono 1L ( lait entier)
siramamy 500 g (afaka ahena raha tsy tia mamy)
lafarina 250 g
atody 4
tamenany 2
ranon-davanila 3 sotro fihinanana
"rhum" 8sotro fihinanana
dibera 1 sotrokely
Fikarakarana azy :
- Maka bol dia atao ao ny siramamy sy lafarina ary afangaro amin'ny tanana.
- Mandritr'izay, ampangotrahana ny ronono sy ny dibera ary ny ranon-davanila
- Lavahana kely afovoan'ny lafarina sy siramamy efa nafangaro, arotsaka tsirairay ao ny atody 4, avy eo ny tamenany 2, afangaro tsara.
- Arotsaka ao indray ny ronono mafana avy eo, arotsaka tsikelikely sady afangaro ihany ny paty.
- Arotsaka farany ny "rhum". Andrasana mangatsiaka ny paty dia avela anaty vata fampangatsiahana 24ora.
- Ny ampitso, afanaina mialoha ny lafaoro 210°C
- Avoaka 30 minitra avy ao anaty vata fampangatsiahana ny paty, fenoina ny lavaky ny lasitra "cannelé" ka "silicone" no tena tsara ampiasaina.
- Atsofoka anaty lafaoro 35 - 45 minitra.
- Rehefa masaka, dia esorina anaty lasitra ary avela hangatsiaka.
Mazotoa o
Nahandron'i Mamisoa Andriamanga
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire