Carbonara

100

Carbonara 

zavatra ilaina

350g de spaghetti
lard fumé na lard fotsiny 150g
dipoavatra
Atody : 1 feno + tamenany 2 na 3
Fromazy voakiky ("pecorino" no tena "orginale" fa azo ovaina izay fromazy misy eo an-toerana)

Fikarakarana azy:

- mamana rano mafana aloha amin’ny vilany be hanaovana ny spaghetti asiana sira kelikely rehefa mangotraka satria efa misy sira ny fromazy, azo ampiana io rehefa hita fa matsatso rehefa manandrana hoe masaka ve ilay paty
- Endasina amin’ny lapoaly tsy misy menaka aloha ny lard fume ary rehefa miala ny menaka taviny iny dia lasa mikarepoka vao esorina. 
- kapohana ny atody ary arotsaka ao ny fromage rape , ny poivres araka izay tiana.
- farany arotsaka ao ny lard fume efa nendasina 
- rehefa mangotraka ny rano ka narotsaka ny spaghetti dia mila andramana hijerena ny faha-masahany sy ny sira, rehefa masaka ny spaghetti natao “al dente”, tsy boledaka be izany, fa raha 11 minutes soratra eo amin’ny fonony dia izay ihany no atao (ny an’ny italiana aza mbola hanalany 2 min izay soratra eo), tatavanina ny spaghetti dia arotsaka ao anatin’ilay atody efa nifangaro teo aloha. Tsy atao ambony afo io fa iny hafanan’ilay pate iny no manamasaka ny atody. Raha hita fa maina loatra dia azo asiana huile d’olive kely, na koa asiana ronono raha tia. 
dia mazotoa o

Nahandron'i Angie boutax

 

Catégorie: 
Matériels: