Chausson de legume au fromage

1122

GOUTER NA TSAKITSAKY : CHAUSSON DE LEGUME AU FROMAGE

ZAVATRA ILAINA:
(15 isa eo ho eo)

*Ho an'ny sesika:

-Sosety 2 (azo soloina korizety)
-tongolo be 1 lehibe (na 2 kelikely)
-tongolo gasy sy kotomila (izay mahamanitra azy)
-atody 1 (afaka ampiana totokena kely na akoho , sardine sns)
-sira sy dipoavatra,
-sauce soja sy sauce huitre raha tiana
-fromage voakiky (izay tiana)
-atody 1,
- potimofo na chapelure

* ho an'ny pate-brisée (CHAUSSON) :
-lafarina 250g
-dibera malemy (eto dia natao eurocuisine) 125g
-rano 50ml
-sira iray tsongo
-atody 1

FIKARAKARANA: (Legumes)

Tetehina madinika avokoa ny legioma. Ny sosety dia andrahoina ho masaka. Tsy atao masaka loatra fa mitera-drano be . Moa izy somary mantamanta iny no matsiro.
Arotsaka anaty lapoaly misy menaka mahampy ny tongolo be voatetika. Rehefa mendimendy dia alefa ny tongolo gasy. Arotsaka ao amizay ny sosety efa masaka dia avela hifangaro tsara. Alefa indray mandeha ny atody (tsy nokapohina) , dia afangaro ho potika miaraka amin'ilay fangaro teo. Rehefa izay dia alefa ny kotomila sy ny sauce soja ary ny sira (kely) sy sauce huitre raha tiana. Vita izay dia avela hangatsika.

FIKARAKARANA AZY (pate brisé) :

Alefa anaty "recipient" iray ny lafarina, asina sira kely. Manao lavaka kely afovoany (fontaine) dia alefa ny dibera malemy . Polipolesina hiditra tsara anaty lafarina ny dibera. Rehefa izay dia alefa ny rano sy ny atody (miaraka alefa ) . Bolabolaina hanome bolongany tsy miraikitra @ tanana. Fisahana amin'ny "rouleau" na tavoahangy ny pate avy eo ho fisaka. Maka "fakàna endrika" (emporte pièce) boribory lehibebe na vera koa dia mety dia manao boribory maromaro izay asiana an'ilay sesika teo.

FANAMBARANA AZY:

Asiana ilay sesika ny boribory iray dia araraka ny fromazy voakiky alohan'ny hamonosana azy ao anat'ilay "pate brisée" natao boribory be dia be. Hidina @ izay: atao mifanatona ny sisiny roa ary hidina tsara (potserina @ tanana ary tsindrina @ "fourchette") .
Kapohina ilay atody fahatelo. Asoka anaty atody, avy eo asoka anaty chapelure alohan'ny anendasana azy @ menaka mafana mandifotra azy. Rehefa mahazo loko tsara dia vita
Mazotoa o

Nahandro sy sarin'i Maëllie Ramialinjanahary: 24.02.2018