Chessecake Japonais

449

CHEESECAKE JAPONAIS indray no atolotro ho anareo a!

Zavatra ilaina:

atody 3,

mini choco blanc 8 (120g),

fromage blanc 1 (100g),

ronono 1/2pot yaourt

Fikarakarana:

-- Afanaina ho 170° ny lafaoro
-- Sarahana ny tamenany sy ny tapotsiny amin'ny atody ka kapohina ho neige ferme ny tapotsiny
-- Kapohina hifangaro ny fromage blanc sy ny ronono
-- Atsonika ny chocolat blanc (atao bain marie), alefa ao anatin'ilay chocola natsonika ny fromage blanc efa lasa creme, haroina hifangaro tsara, eo ambony rano mafana no ikapohana azy. Rehefa mifangaro tsara dia esorina anatin'ilay bain marie ary arotsaka iay tamenaka atody, aroina amin'ny sotro hazo hifangaro tsara, arotsaka ao ilay neige ferme ka atao in 2ny fandrotsaka azy (arotsaka ny atsasany dia haroina moramora, dia arotsaka indray ny atsasany dia aroina hatrany)
-- Alefa anaty lasitra nasiana menaka sy taratasy ny fanambaniny
-- Atao bain marie anaty lafaoro avy eo (mety koa vilany) mandritra ny 15mn, rehefa tapitra ny io fe-potoana io dia vonoina ny lafaoro fa avela ao 15mn amin'izay hafanana efa tao ihany ny mofo,rehefa tapitra io dia avy dia alana ao anaty lasitra ary avela hangatsiaka vao aroso

Mazotoa daholo!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: