Chop suey au poulet

645

LAOKA RITRA : "SHOP SUEY AU POULET"

ZAVATRA ILAINA:

-nofon'akoho voatetika alona anaty sauce soja 2 cas 20 mn
- karoty, tongolo, laisoa, haricots verts
- saosy soja
- dipoavatra sy sira
- "fécule manioc" 1 sotro kely
- menaka kely. 

FIKARAKARANA AZY:

Endasina amin'ny menaka 1 sotro lehibe ny tongolo voatetika, arotsaka ireo legioma voatetika avy eo, atao amin'ny afo mahery ka rehefa malazo dia esory ambony afo
Endasina amin'ny menaka 1 sotro lehibe ny akoho, rehefa mendimendy arotsaka ny 2 sotro lehibe saosy soja sy 1 sotro kely "fécule de manioc". 
Arotsaka ny legioma, afangaro ary asiana dipoavatra sy rano atsasaka kôpy sy 1 sotro lehibe "Noilly Prat" na vinaingitra dia mety, ka rehefa mangotraka dia vita, ampio saosy soja raha matsatso (tsy mampiasa sira mihitsy aho eto)
Tsy tokony ho masaka be ny légumes, izay no maha chop suey azy

NB : Afaka mampiasa crevettes, henakisoa, henomby, nofo trondro koa fa kendrena halemy nefa tsy potika ireo fangaro ireo. Ny legioma koa afaka ovaina araka izay tiana (sôsety, champignons noirs, korzety, ti sam....) afatsy ny mora potika toy ny ovy, aubergines, ......
Mazotoa o 

Nahandron'i Bonbon Mamibé 

 

Catégorie: