Choux à la crème

175

CHOUX À LA CRÈME

A ma façon,
Bien évidemment!

Hoy mantsy ny vazaha raha miteny,
Ary ekeko fa tena fahendrena:

"On n'est jamais mieux servi que par soi-même!"
Ka dia nataoko ny gâteaux-ako f'izaho tsy nimenomenona!

Ary dia ny pâte à choux
io no nataoko mialoha!

Hafanaina ambony ny afo: 25 cl ny rano
Raha mihoatra an'io mampiditra angano!

Alefa ao avy eo 100g ny dibera,
amin'izay mitsonika tsy mandany lera!

200g ny la farine
Raha latsaka kely tsy maninona!

Dia asiana sira indray mitsongo
Ary haroina tsara hitambatra sy hivongo!

Sotrobe hazo no anafangaroana azy
Tena important io fa tsy vazivazy!

Rehefa mitambatra tsara dia esorina amin'izay
Ary ireo atody 5 alefa ao tsirairay

Alefa aloha ny iray dia haroina tsara hitambatra
Dia atao indray ny manaraka fa tsy miambatrambatra!

Rehefa izay dia avela io hipetraka
Ary ianao koa angamba efa valaketraka!

Atao indray ny crème pâtissière
Ka dia efa hatokany siramamy 1 verre!

Ary sucre vanillé 2 sachets raha manitatra,
Sy ronono vao mangotraka tapa-litatra!

Ampiana la farine 200 grammes
Ary tamenak'atody 5 fa indispensable io Madame!

Dia afangaroina sy hataingina afo amin'izay
Ary mila fitandramana mba tsy ho may!

Tsara kokoa raha haroina @ fouet;
Mba tsy hisy vongambongany be dia be!

Ka rehefa mavesabesatra tsara
Dia esorina @ izay k'avela mba hanaranara!

Ny crème chantilly sisa no atao
tsy dia sarotra akory io fa toy izao:

250g ny crème fraîche fa tsy dia be
ary 150g kosa ny sucre glacé!

Dia kapohina izy roa mba hiakatra tsara
Dia asiana colorant mba ho lasa maramara!

-----------------------------------------------------------

Alaina amin'izay ny moule dia atao beurré
Na koa mampiasa papier sulfurisé

Dia atao eo ny pâte à choux rehetra 
Ka izay endrika tianao dia tsy voafetra!

Ny ahy nataoko: trondro, fraise ary voasary
Angamba hita ihany amin'ireo sary!

Dia ahandroina @ four 180 degrés
ka afaka 20 mn dia efa Masaka be!

Dia avela daholo hangatsiaka
Satria raha mafana tsisy fika!

Dia silahana sy ampihaingoana
Eo @ izay ianao mba mandany fotoana!

-------------------------------------------------------------

ilay sarim-boasary sy sary fraise
nofenoiko crème pâtissière mba haha-balaise!

Fa kosa navahako ilay sary trondro
Izay tsy zava-poana fa tena manondro!

Hoe: izaho anie tsy inona fa POISSON !
Ary androany aho no feno 54 ans !!!

Dia izay ilay izy ry namana, mbola ho be ny ezaka!
Fa rehefa voky ianareo, ho ahy indray ny rezatra!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: