Cochon de lait

704

KITONOTONO - TSAKY : COCHON DE LAIT - 

Zavatra ilaina : 

kisoa kely 1 volana sy tapany
« 4 épices »
tongolo gasy
« sauce hokman »
« sauce soja »
tantely ary menaka

Fikarakarana azy:

- alaina ny kisoa kely diovina dia samahana roa avy any amin'ny lohany ka hatrany amin'ny vodiny.
- afangaro ny 4 épices, tongolo gasy, hokman, sauce soja, tantely ary menaka dia hosorana tsara ny vatany manontolo asiana hatrany anatiny. Avela hilona 1ora 30 minitra ilay izy, 
- Atsofoka anaty lafaro afaka miodina ary ahodina sy hosorana ny ambin'ilay fangaro « sauce » afaka 5 minitra.
- 1ora no tokony handrahoana azy, ary isaky ny 15 minitra, dia manosotra tantely fotsiny ; asiana ilay « sauce » indray dia ohatr'izay hatrany mandritra ny 1ora, tsara raha lafaoro vita gasy ny anaovana azy (barika voamboatra ohatra )

Mazotoa o

nahandron'i Bejoh Andrianirina

 

Catégorie: