Colombe

981

COLOMBE DE PAQUES - COLOMBA DI PASQUA - MOFOMAMY PAKA

Misy karazany maro ny fanaovana ity “colomba di pasqua” ity fa dia ity vita napolitana ity aloha no zaraina am-pifaliana eto,

ZAVATRA ILAINA:

Lafarina 600g  (manitoba) (zaraina roa 60g +540g)
25g lalovay (levure de bière) – (levure boulanger mahasolo azy )
2 atody
1 tamenakatody
250g dibera (zaraina roa 100g+150g)
menaka tapaky ny boite yaourt
100g siramamy
hodimboasary makirana voakiky
sira 1 tsongo
ronono 1 na 2 sotro fihinana
lavanila
hasina voasary na hodimboasary voakiky
100g sokolà na 100g de fruit confit (canditi)

ho an’ny crème glaçage : (glassatura):
100g amandes na “farine d’amandes”
100g siramamy sy “sucre glace”
1 atody

FIKARAKARANA AZY:

Ny lalovay no tena zava-dehibe eto
Matetika dia ny hariva no atao satria moa izy ity tena fomba mihitsy ka ny fianankaviana rehetra manao azy dia manomboka eo amin’ny 8 alina eo.
- Manao paty amin’ny lafarina 60g sy lalovay nolevonina tao anaty rano matimaty kely dia volavolaina tsara ary atao boribory dia avela hipetraka anaty bol dia saromana,
Rehefa nitombo indroa ny habeany dia esorina ao anaty bol dia arosaka anaty bol indray ny ambin’ny lafarina 540g , arotsaka ny atody 2 sy ny tamenakatody, ny dibera efa navoaka mialoha 100g ary ilay paty efa nisy lalovay, arotsara ihany koa ny ronono , ny menaka, ny hanitra rehetra hodimboasary makirana sy voasary , ny sira kely ary ny atin’ny lavanila, volavolaina tsara hifandray ny akora rehetra, ka mila volavolaina 15 minitra eo farafahakeliny, velarina , sitonina, aforitra sns mila tena mifangaroharo tsara mihitsy mba halefaka.
Rehefa hita fa malama tsara ny paty ary tsy miraikitra amin’ny tanana dia averina ao anaty bol dia avela hitombo mandritry ny alina
Ny maraina avoaka avy ao anaty vata fampangatsiahana ny ambin’ny dibera 150g dia avela hipetraka eo ivelany ary tetehana madinika
Afangaro amin’ilay paty indray ny dibera ary dia volavolaina tsara indray mba handray tsara ilay dibera.
Asiana dibera ny lasitra "colomba" dia arotsaka ny paty ary aparitaka tsara mba hitovy haavo, avela hipetraka kely ao anaty lafaoro indray (mbola tsy mafana)

Mandritra izay dia manao”glaçage”:

Afangaro ho lasa lakirema ny lafarina sy atody ary ny siramamy voatoto (sucre glace), raha amandes dia mila totona kely fa tsy atao potika be
Efa nitombo be avo 3 heny izay ilay paty colombe ka dia lalorina ilay lakrema ary dia rarahana siramamy iray tanana eo amboniny.

Arehetina ny lafaoro ka 180° ny hafanana. Mora mahazo loko ny eo amboniny noho ny siramamy sy ny atody ka rehefa hita fa mahazo loko dia saromana “papier alu” ary avela hitohy ho masaka ,
Ny “cure-dent” no hijerena hoe masaka rehefa atsatoka ka mivoaka maina tsara. Tokony ho 40 minitra eo. Miankina amin’ny lafaoro.

Mazotoa o
Fampiharana sy nahandron'i namana napolitana Stefania Zara 

 

Catégorie: