Concombre farci

812

LAOKA : FARCI DE CONCOMBRE 

Zavatra ilaina :
kokombra salatsalany 3
totonkena 250g
karaoty 2 
olatra maina 1tanana
"pate blanche" kely
mofo dipaina
rano na ronono
lafarina mangahazo 2 na 3 sotro fihinanana
sira, dipoavatra
tongolo gasy, tongolo
rano matimaty

Fikarakarana azy :
- Tetehana efamira ny karaoty, ampangotrahana sy tetehana manify ny olatra maina, tapatapahana kely ny pate blanche
- Lomana naaty rano na ronono ny mofo dipaina
- Totoina ny tongolo sy tongolo gasy
- Sasana sy voasana ny concombre, dia esorina ny lohany sy ny vodiny, esorina ny atiny, asian-tsira avy eo ary avela eo.
- Mandritr'izay, afangaro ny totokena sy ireo fangaro hafa rehetra fa hatao sesika.
- Sesehana amin'io ny concombre, averina ilay lohany sy vodiny iny hanarona ny concombre ary tazonina amin'ny "cure dent".

- Andrahoina amin'ny menaka kely amin'ny afo malefaka, avadibadika isaky ny 15 minitra mandra-pahamasany ( 45minitra - 1ora arakaraky ny concombre sy ny afo)
- Avela hangatsiaka dia tetehana
- Rehefa handroso azy, dia rarahana saosy soja kely eo amboniny.
Rarahana persily sy kotomila voatetika, na koa tongolo mena voatetika (échalote)

Fanamarihana : Afaka mampiasa sakaibe (poivron) na harikaovera ho an'ny sesika

Mazotoa o !

nahandron'i Syndie Ho

 

Catégorie: