Confiture cérises

1012

DESSERT : KAOFINTIORA CERISES

ZAVATR A ILAINA:

Cerises 1,200kg
siramamy mena 400g
voasary makirana 1
kanelina 1

FIKARAKARANA AZY:

- sasana tsara ny cerises ary fafana dia esorina ny tahony
- atao anaty bol miaraka amin’ny siramamy, ranomboasary makirana sy ny hodimboasary makirana voakiky ary farany ny kanelina dia avelao hipetraka kely eo amin’ny 2 ora eo.
- Atao anaty vilany dia andrahoina amin’ny afo antonony ary afangaro matetika dia esorina izay raotrany raha misy,
- Eo amin’ny 40 minitra eo dia vita fa raha tiana ho malama kokoa dia afaka totohina amin’ny “mixeur”
- rehefa vonona dia atao avy hatrany ao anaty bocal efa nampangotrahana mialoha ka namainina tsara, saromana ary ahohoka, dia avela eo amin’io mandrapangatsiaka mba hahatonga ny rivotra hiala any ambany rehefa avadika
- rehefa mangatsiaka dia azo avadika ary azo apetraka ao anaty “armoire” mandra-pihinana azy. Ny anay maharitra heritaona ny sasany amin’izy itony miankina amin’ny habetsaky ny atao moa
Mazotoa o 

Mazotoa 

Catégorie: