Corallo

Portrait de Angie
1087

 CORALLO  - haricotvert plat - ilay toy ny harikovera fa fisaka lehibe , azo andrahoina amin’ny fomba maro fa telo no ireto no tena fanaonay rehefa mba miovaova eo

ZAVATRA ILAINA:

1. corallo salady
Corallo
tongolo be
sira
menaka
voasary makirana

2 Corallo saosy
corallo
tongolo gasy
saosy voatabia
menaka oliva
sira
dipoavatra
 

3 henakisoa sy corallo saosy

Mitovy amin’ny faharoa fa miampy :
hena  sy sakamalaho ary tongolo be

FIRAKARAKANA AZY

  1. corallo salady
    - mampangotraka rano
    - tapahana ny lohan’ny corallo roa dia sasana tsara
    - arotsaka anaty rano mangotraka misy sira dia andrahoina tsy atao malemy
    - tsihifina rehefa masaka dia asiana tongolo be voatetika sy voasary makirana ary menaka dia vita
    - Azo hohanina amin’ny atody nandrahoina , na hena na trondro natono, na koa nendasina kinendy
     
  2. Corallo saosy
    - atao toy io voalohany io ihany fa andrahoina 8 minitra rehefa mangotraka dia tsihifina
    - manao saosy voatabia sy tongolo gasy ary arotsaka ao ny corallo dia avela ho masaka, asiana dipoavatra raha tiana, avela ho masaka sy haka tsiro dia vita
    - Azo hohanina miaraka amin’ny mofo, vary , ovy , mangahazo sns
     
  3. Henakisoa sy corallo
    - endasina amin’ny ranontsasany ny hena dia avela hiala tsara ny menaka matavy (esorina io dia soloina menaka oliva raha tiana)
    - rehefa mendy tsara dia arotsaka ny tongolo gasy sy tongolo be ary sakamalaho voatetika dia asiana sira kely
    - arotsaka ny rano 1 vera da avela ho masaka kely hena
    - izay vao arotsaka ny corallo efa voasasa, sy niala ny lohany roa dia avela hitanika mandrapahamasaka.
    - Aroso miaraka amin’ny vary sy lasary
     

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'ny Mamina 19.12.17

 

Ingrédients: