Corbeilles de crepes

Portrait de Angie
1066

FANOKAFAM - BAVONY na TSINDRIN-TSAKAFO :
"CORBEILLES DE CREPES" 
- mahavita 12

ZAVATRA ILAINA:

===> Ho an'ny crêpe :
lafarina 250g
ronono na rano 500ml
atody 4
siramamy 30g (tsy asiana raha masira ny atao)
dibera natsonika 30g
tsongon-tsira

FIKARAKARANA AZY

- Ho an'ny crêpe : afangaro avokoa ny singa, avela hilona 30 minitra dia endasina
- vao voahendy, dia apetraka ambony vera nahohoka (vera mahazaka mahamay)
- avy eo alefa 10 minitra anaty lafaoro amin'ny hafanana 180°C
- Vita dia afaka asiana sesika
===> sesika : (tsy atao mandranoka be)
mamy : "salade de fruits" ; na "boule de glace" miampy chantilly
masira : legioma mifangaro; na nofon-trondro sy mayonnaise ; na nofon'akoho sy saosy béchamel ...

Sarin'i Miandrisoa Narovanjanahary
Recetten'i Vero Randriam​ 

Mazotoa o !