Couscous

802

 

SAKAFO MAHALEO TENA : "COUSCOUS" NOTSORINA 

sady tsy mampiasa "couscoussier" 

ZAVATRA ILAINA :

totokena 300g
korzety 2
sakaibe mavo 1
tongolo 2
"pois chiche" amin'ny boaty kely 370g
jumbo 1 (tsy voatery)
voatabia amin'ny boaty 2sotro fihinanana
"épices couscous" 1sotro fihinanana
menaka 1 sotrobe fandoharana (na izay ampy ahazoana saosy tsara)
sira
menak'oliva 3 sotro na dibera 2 sotro
"couscous moyen" 500g

FIKARAKARANA AZY :

- afanaina ny menaka kely 3sotro eo, dia arotsaka ao ny tongolo voatetika sy sakaibe voatetika, somary endandasina
- arotsaka indray avy eo ny korzety voatetika, asiana sira dia endandasina
- arotsaka ny totokena, ny jumbo, ny voatabia amin'ny boaty, ny "pois chiche" efa nokobanina tsara, ny "épices couscous", arotsaka ny ambin'ny menaka mba hahazo saosisaosy tsara, aroroina tsara mandra-pahamasaky ny fangaro

- Etsy andaniny, mampangotraka rano, dia atao anaty bol ny "couscous" (ny ahy somary asiako sira kely) ary rakofana rano (atao manafotra azy mihoatra kely 0.5sm eo.Saromana dia avela 5 - 8 minitra eo. Trohan'ilay "couscous" ny rano, dia mitombo izy.
- Izy mbola mamay iny, rarahana menak'oliva avy eo, na dibera (somary asitrika any anatiny mba hitsonika). Aroroina.

Ny tsara raha manana "gant" voatokana, dia somary kosehana mihitsy ilay izy tsy hitambaingambaingana.

Fika kely natoron'ny namako sénégalaise :
- manalefaka sady mampitsiratsiraka azy ny fampidirana azy 10 minitra anaty "micro onde", ka aroina matetika eny anelanelany.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: