Couscous au poulet

607

Couscous au poulet et legumes

ZAVATRA ILAINA:

 ho an'olona telo na efatra :

akoho iray (ny ahy feany no nisy tato),
tongolo be 1,
karoty 3,
haricot vert iray tànana,
ovy 1,
afaka asiana navet koa ....na baranjely, korzety 2, arakarak'ilay couscous na tunisien ,na marocain....,
tamotamo, 
pois chiche ,( io no tena hitiavako ny couscous akoatran'ny légumes be dia be).
Ny semoule 100g par personne ka ny rano( hono) mila 160g, ny ahy nampiko 1 vera fa mbola mafy,
coulis de tomate 5-6 càs

FIKARAKARANA AZY:

Endaso hahazo loko ny akoho ary alefaso ao anaty vilany be avy eo.
Raha tsy may loatra ny menaka dia endaso ao koa ny oignon ary alefaso ny tamotamo sy ny voatabia ary alefaso ao anaty vilany be daholo io saosy io sy ny legioma voatapaka vaventy rehetra
Arotsay koa ny pois chiche , ny ahy efa masaka "en conserve".
Asio rano mandifotra azy ary avelao hiketrika eo aminìny ora 1 eo ho eo, (raha pois chiche maina mbola manta dia mila hamasahana tsara mitokana aloha)
Ny semoule indray dia efa vidiana précuit ka mamana rano iry fatra ery ambony ery io nampiako kely fa mbola mafimafy ilay semoule(arakarak'ilay semoule io ,ireny semoule madinika kely ireny vidina), ka alefaso ao ny rano nangotraka nasiana sira kely dia haroina tsara amin'ny "fourchette" ,avy eo asio dibera kely tapatapahana dia afangaro tsara foana ary ny tanana aza no miasa ampisaraka tsara ny semoule amin'ny farany.
Raha mividy semoule tsy précuit ianao ka manana couscoussière dia lemana rano ny semoule dia apetraka ambonin'ny vilany misy ny légumes ilay vilany ambony misy lavadavaka iny dia saronana. "Cuisson à la vapeur" na hoe masakevoka izany ilay izy.
Alefa anaty lovia ny semoule , rarahana ny legioma sy ny roniny dia vita 

 

Mazotoa o 
Nahandron'i Dolly Andrianarimanga

 

Catégorie: