Couscous aux grenades et raisins secs

919

SAKAFO MAHALEO TENA : COUS COUS SY AMPONGAMBEN-DANITRA ARY VOALOBOKA MAINA - (en italien : Couscous e melograno ) -  recette végétarien

ZAVATRA ILAINA:

Cous Cous 250g
voaloboka maina 50g,
hanitra izay tiana: Kanelina, cumino, paprika, kotomila kely
Legioma : karoty 1, celeri 1, ovy 1, na korzety 1, poarao 1,... izay misy sy tiana hanaovana ron-dasopy (mba tsy hampiasana jumbo sns)
dipoavatra, sira
ranon-dasopy 750ml
menaka oliva 1 sotro
apongamben-danitra matoy tsara 1
amande sy noix  izay tiana (azo soloina voanjo)

FIKARAKARANA AZY:

- Manao lasopy legioma aloha: voasana sy tetehina ny legioma izay tiana dia andrahoina amin'ny rano tokony hoe 1 litatra sy sasany, ka rehefa misasaka io rano io dia vita ka tsihifina ny legioma dia atokana io ranon-dasopy io tsy avela mangatsiaka.
- Atao anaty bol lehibe ny couscous, ny voaloboka maina ary ireo hanitra: cumino, paprika, kanelina, afangaro tsara daholo.
- Araraka ao ny ranon-dasopy 750ml mangotraka dia afangaro kely fotsiny dia saromana aloha (sarombilany na amin'ny "pellicule") dia avela hipetraka eo amin'ny 10-15 minitra eo mandrapaha ritra ny rano rehetra izay trohan'ny cous cous.
- Mandritra izany dia sokafana ny ampongaben-danitra ka zaraina roa dia somary kapohana ny vatany dia mivoaka ny nofony dia atokana.
- rehefa tapitra ny 10 na 15 minitra dia afangaro amin'ny sotro rovitra "fourchette" ny couscous mba hisaratsaraka tsara.
- Asiana menaka, sira ary dipoavatra, dia afangaro tsara hatrany.
- endasina amin’ny lapoaly tsy misy menaka ny “amande sy noix” voapotika fa ty voatoto loatra ary arotsaka ao amin’ny couscous.
- Afangaro ao koa ny nofon'ny ampongamben-danitra
- Farany ny kotomila voatetika madinika dia vita.

Fanamarihana:

raha tsy te hanao lasopy dia azo atao amin’ny rano mangotraka fotsiny ny couscous dia tohizana ny recette.

Mazotoa o

Andry Mamina

Catégorie: