Crème aux oeufs et aux fruits

160

CREME AUX OEUFS ET AUX FRUITS

Fraises, paiso, mananasy, kiwi
atody valo sy ronono 1 litatra
300 g ny siramamy ilain-dry
Sy sucre vanillé 1 f'aza manitatra!

Kapohy ho fotsy ny atody sy siramamy,
Avy eo arotsahy ny ronono sy sucre vanillé
Ary dia asio rano kely ny vilany,
Tsy vilany kely f'izay tena lehibe!

Araraho anaty moule ny fangaro,
dia ataovy anatin'ilay vilany ny moule,
Tandremo tsara ireo tsy ifangaro,
na koa hisy rano hihoatra ny molony.

Izay ilay hoe bain-marie au four,
ka ahandroina 30 minitra,
Tandremo ary ianao sao matoritory,

Ka tsy hitanao ilay rano hoe ritra.

180° ny afo anaovana azy
Dia ohatran'io izy rehefa vita

avelao hangatsiaka dia fenoy voankazo,
tsy mila atoro fa ny masonao mahita!

Dia mahavità soa,
Fa tena tsara io ramatoa!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: