Crepe mille trous

839

ODY AM-BAVA FO na SAKAFO MARAINA : 
CREPE MILLE TROUS NATURE ET AU CHOCOLAT - BAGHRIR

sakafo marocaine

Zavatra ilaina :

lafarina 2 vera
lalovay simika 2 fonosana
levure de boulanger 1 sotro fihinanana
atody 1
sira
rano matimaty na ronono (alefa tsikelikely mandra-pahazo paty mandranoka)
cacao vovony

Fikarakarana azy :

- Afangaro izy rehetra (afa -tsy ny cacao)
- ampiana rano matimaty tsikelikely na ronono mandra-pahazo paty mandranoka
- Zaraina roa ny paty azo ka asiana cacao ny antsasany.
- Avela hilona 30 minitra ireo paty.
- Endasina amin'ny lapoaly tsy miraikitra ireo mofo, dia aroso miaraka amin'ny dibera na tantely na kaofitiora na nutella.

Mazotoa o !

Catégorie: