Crepes Soa

707

CREPES Soa : ODY AMBAVA FO : CRÊPES
(nahavita 12 isa )

 

Zavatra ilaina :
 

Lafarina 300g

Siramamy 3 sotro fihinana

dibera malemy 50 g

Atody 2

Sira 1 tsongo

Ronono 50 cl eo ho eo (arakaraky ny lafarina misy mifoka be ka eo ampikarakarana mahita azy na ampiana na hanalana).

Menaka hanosorana lapoaly

 

Fikarakarana azy :

- Maka bol lehibe iray dia atao ao ny lafarina, lavahana eo afovoany dia arotsaka ao ny atody ny siramamy ny sira ary ny dibera malemy, afangaro tsara amin ' ny sotro hazo na fouet

- Rehefa mifangaro tsara, dia alefa tsikelikely ny ronono, rehefa mahazo paty tsy dia mandranoka be no tsy marihitra be dia izay. (Raisina amin ilay sotro be hazo na "fouet" ilay paty ka rehefa miraraka tsy tapaka tapaka dia vita izy izay)

- Hafanaina ny lapoaly, hosorana menaka kely arotsaka ny paty.

- Eran' ny sotro be isaky ny mandrotsaka dia aparitaka tsara. Rehefa maimaina ny eo ambony dia avadika.

- Azo aroso miaraka amin ny kaofitiora na Nutella na siramamy.....
 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô
Nahandron'i Soa Bonheur 

 

Catégorie: