Crevette et coquille à la vanille

832

CREVETTE ET COQUILLE SAINT JACQUES A LA VANILLE - "gamberi con capesante alla vaniglia" hoy ny italiana
Raha tsy misy coquille saint Jacques mety foana 

ZAVATRA ILAINA 
crevette sauvage de madagascar.
Coquille saint Jacques 
Dibera 
crème fraiche 
lavanila 
tongolo be 
tongolo gasy 
korizety 
sira 
dibera 

FIKARAKARANA AZY:

1. sasana dia tetehina boribory ary andrahoina masakevoka ny korizety (azo asiana sira sy menaka oliva rehefa vita)
2. "décortiquer" : esorina ny lohany crevette sy ny tsinainy eo andamosina iny ka atokana ny crevette, ny tsinainy ariana ary ny lohany atao anaty vilany 
3. maka lapoaly dia endasina amin'ny dibera ny tongolo be sy gasy voatetika madinika ary arotsaka ao ny lohany sy hoditry ny crevette iny potserina tsara hivoka n'y jus .asina rano 1/2 ny vera dia avela hiketrika 5 minitra, tsifina anaty "passoire" ny ranony. Ary iny ranony saosy iny no ampina "crème fraîche" sy ny lavanila izay nosokafana ka nalaina ilay voniny kely ao anatiny "graine de vanille" dia afangaro tsara dia averina tenehina 5 minitra dia vita ny saosy. 
3/ atao ambony "papier absorbant" ny "crevette sy coquille saint Jacques" avy nosasana. Asiana sira sy dipoavatra ary lavanila ihany koa (graine de vanille).
Endasina anaty lapoaly misy dibera eo amin'ny 1minitra sy 30segondra eo ny ilany avy 
Vita zay dia arotsaka ilay saosy dia afangaro dia aroso miara amin'ny vary na mofo.
Atao anaty vilia ary anjaranao ny manao ny haingo tiana
Mazoto daholo

Nahandron'i Niry Rafi

 

Catégorie: