Crevette et saucisse fumé aux legumes

913

LAOKA: MAKAMBA SY SAOSISY ARY LEGIOMA

ZAVATRA ILAINA: ny fatran'ireo dia izay sahaza ny mpianakavy
crevette - makamba
saosisy fumé
legioma izay tiana na izay misy ka eto dia :karaoty, harikovera, sakaibe, tongolo be, "épi de maïs" , katsaka masaka, tsaramaso mena efa masaka mialoha koa), tongolo gasy,
curry ,  dipoavatra
menaka, sira

FIKARAKARANA AZY:

- endasina mitokana ny saosisy fumé dia tetehana misopirana 
- esorina ny hodin'ny makamba raha mbola misy hodiny ary ny makamba no arotsaka farany
- maka vilany na wok, wok no nampiasaina teto, dia afanaina ny menaka dia hendasina ny legioma rehefa voatetika araka ny itiavana azy, tsy atao masaka be, asiana curry sy dipoavatra, atao amin'ny afo malefaka foana an, rehefa mety aminao ny fahamasahany dia asio rano kely raha tiana hisy saosy,
- arotsahy ny saosisy fumé, rehefa mifangaro tsara dia arotsahy ny makamba ka rehefa mivadika mavo kely dia vonoina ny afo dia saromana, tsymila atao masaka be ny makamba fa lasa mihejakenjana be.
 
Mazotoa 

Nahandron'i Soa Bonheur 

 

Catégorie: