Croque monsieur

1010

TSAKITSAKY NA ODY AM-BAVA FO : CROQUE MONSIERUR

ZAVATRA ILAINA:

- pain de mie
- jambon na mortadelle
- Fromazy mafy ho kikisana (fromage dur)
- fromage somary malemy 
- tongolo be
- dibera

FIKARAKARANA AZY : 

- hosorana dibera ny lafiny 1 amin'ny "pain de mie" rehetra
- voasana ny tongolo dia tetehina rondelle ary endasina ami'ny dibera. Atao mendimendy mena tsara
- tetehina fisapisaka ny fromazy tys maci ary alahadahatra eo ambonin'ny pain de mie tsirairay, tahak'izay koa ny "jambon" ( ny jambon no nataoko ambany teto)
- rarahana an'ilay tongolo voaendy eo ambonin'ireo ary saromana "pain de mie" indray ka ilay misy dibera no atao mihohoka ambany
- kikisana madinika ny fromage dur ka araraka eo amboniny
- atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° ka rehefa hita fa mikarepoka ny mofo ary mitsonika ny fromage dia vita. Efa mena na "doré" tsara ny lokony raha ny tokony ho izy.
Mazotoa o 

Nahanadron'i Mino Raoniarimanga 

 

Catégorie: