Croquette de cervelle

525

Croquettes de cervelle na atidohan-kena

1. Nahandron'i Anja Rahona Andrianaivo 

Zavatra ilaina: 
 

atidohan-kena 
tongolo gasy
sakamalao kely 
sira sy dipoavatra 
lafarina
atody 
poti-mofo na "chapelure"
menaka

Fikarakarana azy: 

- tapatapahina ny atidoan-kena manta voasasa tsara
- tetehina majinika ny tongolo gasy sakamalaho ary alona amin'iny ny atidoha-kena 
- asiana sira sy diapoavatra ary zava-maintso izay tiana voatetika majinika (kotomila, persila, tongolo maintso ...) 
- maka vilia 3 ka asiana lafarina , atody voakapoka ary potimofo dia ampandalovina amin'ireo ny atidoan-kena voavolavola 
- endasina amin'ny menaka mafana ary apetraka amin'ny taratasy na "essuie tout " rehefa vita 

 

 2. Nahandro sy sarin'i Onitriniaina Rova

Zavatra ilaina

atidohan-kena 
atody 2, 
kotomila, 
tongolo maitso, 
tongolo gasy, 
sira sy dipoavatra 
lafarina kely
poti-mofo na "chapelure"
menaka
 

Fikarakarana:

Ahandroina mivaingana 20mn ny atidoan-kena.
Esorina ilay hodiny manify ivelany iny dia potserina. 
Afangaroy amin'ny atody 2, kotomila, tongolo maitso, tongolo gasy, sira, dipoavatra ary lafarina kely fotsiny mampitambatra azy.
Volavolao lavalava ary ampandalovy amin'ny vilia misy poti-mofo. 
Endasina amin'ny menaka mafana ary apetraka amin'ny taratasy na "essuie tout " rehefa vita 

Tsara ampiarahana amin'ny salade.
Mazotoa ary o!

Catégorie: