By Andry Rakotomavo
Croquette de couscous aux legumes
CROQUETTE DE COUSCOUS AUX LEGUMES
ZAVATRA ILAINA
250g cous cous (azo soloina vary)
Legioma izay tiana : korzety, karoty, baranjely, tongolo maintso
Fromazy ”provola” na “mozzarella” na izay misy 100g
Parmesan 25g
atody 2
sira sy dipoavatra raha tiana
“chapelure” na hoe poti-mofo
FIKARAKARANA AZY:
Manao couscous : mampangotraka rano 2 vera eo dia asiana sira kely, ka rehefa mangotraka dia esorina aloha ny 1/2 ny vera ary vonoina ny afo, Arotsaka ao ny cous cous sy menaka 3 sotro (na koa ampiana dobera kely raha tiana ) dia haroina amin’ny sotro rovitra na hoe “fourchette” mandrapaha ritra ny rano, raha tsy mahahenika azy io rano io vao tapohana kely amin’ilay nesorina.
Tetehina efa-mira ny baranjely sy korzety dia alefa naty lapoaly misy menaka dia avela ho mendimendy 10 minitra eo hiala ny rano ao anatiny.
Kikisana kosa ny karoty dia arotsaka ao avy eo dia avela kely ambony afo ireo dia asiana sira sy dipoavatra raha tiana.
Arotsaka ao anaty couscous avokoa ny legioma nendasina kely, tetehina madinika avokoa ny fromazy provola, tongolo mantso, parmesan voakiky,ary atody iray aloha. Afangaro tsara daholo hifandray tsara avokoa ny rehetra, volavolaina amin’ny tanana tsara dia atao izay bika tiana na boribory na fisapisaka. Eto moa dia natao toy ny bikan’ny hamburger ka rehefa vita dia apetraka amin’ny vilia avokoa dia ampidirina anaty vata fampangatsiahana na amin’ny toerana mangatsiaka aloha hipetraka kely 30 minitra eo.
Kapohana ny atody 1 dia asiana sira , atao amin’ny vilia kosa ilay poti-mofo
Hafanaina ny menaka betsaka dia ampandalovina anaty atody aloha ny hamburger cousous vao alefa ao anaty poti-mofo dia endasina, avadibadika raha natao henabaolina mba hitovy ny fahamasahany. Eto kosa moa dia avadika indray ihany satria fisaka. Rehefa vita dia apetraka ambony “essui tout” na “emballage”mba hitsika ny menaka izay vao aroso mafana.
Nahalany 3 avy ny ankizy ny ahy, efa sakafo feno moa izy io tsy hoe laoka akory
Mazotoa indray ary o
NB: Azo soloina vary ny cous cous dia mitovy ihany ny paoziny rehefa vita
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire