Croute suisse

829

SAKAFO MAHALEO TENA : CROUTE SUISSE

ZAVATRA ILAINA:

mofo (campagne, blanc, mie) 
"gruyère" rapé - fromazy kely
didina "jambon" manify
moutarde :1 sotro
divay fotsy (tsy voatery) 
"créme fraîche liquide" na ronono sahabo 25 cl (handemana ny mofo)
"fromage à raclette" (arakaraka ny tiana ampiasaina na sahabo didy 2 isan olona ) 
voatabia ,
tongolo be 
atody 1 isan.olona 

FIKARAKARANA AZY:

- afanaina10 minitra mialoha ny ny lafaoro (220°)
- maka lasitra mandeha lafaoro,
- hosorana moutarde ny mofo ary avy eo lemana amin'ny "creme fraiche" sy divay mifangaro ( afaka soloina ronono ihany koa ny creme fraîche)
- alahadahatra anaty lasitra ireo dia apetraka ny jambon ,
- rakofana "fromage à raclette",
- asiana didina voatabia sy tongolo boribory,
- rarahana "gruyère rapé" kely sy  dipoivatra vovony,
- Ampidirina anaty lafaoro efa mafana 220° dia andrahoina 10 minitra ao ,
- vita izay dia avoaka kely ary vakiana eo amboniny ny atody dia averina ampidirina anaty lafaoro indray ka andrahoina mandrapahamasaka ny atody

mazotoa homana o 

Nahandron'i NyÉko Soké Zita

 

Catégorie: