Crumbles aux pommes

690

Azo atao ody am-bava-fo "gouter" na koa "dessert" tsindrin-tsakafo,  tsotra mora sady tsy lafo!!

TSINDRI-TSAKAFO : CRUMBLES AUX POMMES

ZAVATRA ILAINA : 
lafarina
siramamy
dibera
atao mitovy fatra ny lafarina, ny siramamyary ny dibera
vovoka kanela "cannelle"
paoma

FIKARAKARANA :
- atao anaty bol ny lafarina syny siramamy ary ny ny dibera dia afangaro tsara amin'ny tanana, mahazo paty
- tetehana sy andrahona kely ny paoma dia asiana siramamy kely sy vovoka "cannelle" rehefa akaiky masaka dia asina dibera kely dia kely
- alaina ny "ramequin"( na lasitra ihany koa ) dia asiana ilay paoma, avy eo asiana ilay pate vita teo aloha ary apetraka tsikelikely amin'ny tanana

FAHANDRO AZY:

- Four gasy hatrany! eo amin'ny 20 minitra . Raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe maka vilany dia asiana fasika ary hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany, avy eo dia avadika ny sarombilany ary asiana afo bebe kosa eo ambony, dia apetraka ao anaty vilany ny lasitra ary jerena matetika

- Four vazaha: afanaina mialoha ny lafaoro 200°C andrahona mandritra ny 15 minutes eo ho eo
mazotoa o

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: