Cuisse dame

Portrait de Angie
514

CUISSE DAME

ZAVATRA ILAINA:

Atody 2 
Lafarina 400 g 
Lalovay simika 1 sotro kely 
Sira 1 tsongo 
Siramamy 100 g 
Dibera 50g ( nitsonika )
Ronono 4 sotro fihinana 
Lavanila raha tiana 
Menaka fanendasana 

 

FIKARAKARANA AZY:

1. Tonga dia nokapohako niaraka ny siramamy sy ny atody ka rehefa fotsy tsara sy levona ny siramamy dia narotsako ny dibera efa mitsonika sy ny ronono. Nampiasa "batteuse" aho teto. 
2. Tsy nampiasa "batteuse" intsony teto fa sotro hazo narotsako tao ny sira ny farine ary ny levure. Avy eo nafangaro tsara moramora tamin'ny tanana. Navelako teo aloha ora iray.
3. tapitra ny ora iray dia nalaiko tsikelikely tamin'ny sotro kely dia novolavolaiko lavalava tamin'ny tanana. 
4. nafanaina ny menaka atao afo malefaka dia endasina. Tsy atao be ambilany fa mbola hitombo be 
5. Atsika ambony taratasy ny menaka dia vita
6. Ny ahy nisy nampidirina "congélateur" ny sasany satria nahavita be dia be 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: