Cuisse dame à la crème et orange

683

CUISSE DAME À LA CRÈME et ORANGE

Zavatra ilaina : 
Atody 2 
Siramamy 200 g 
"Crème fraîche" 100g 
Dibera mitsonika 100 g 
voasary 2 ny ahy teto nangalako ranony sy kikiny ny hodiny 
Lalovay simika 1 fonosana
"Sucre vanillé "1 
lafarina 500g azo ampitombona raha mbola miboledaka ny pâte 
Menaka fanendasana

Fikarakarana azy : 
1. Kapohina ny atody sy ny siramamy ary ny "sucre vanillé" ka rehefa fotsy tsara sy levona ny siramamy dia arotsaka ny beurre. Ny "crème fraîche" ary ny ranom-boasary sy ny kikiny hodiny. Dia kapohana hatrany ka rehefa hita fa mifangaro tsara dia ajanona. Nampiasa "batteur" teto. 
2. Tsy nampiasa batteuse intsony teto fa sotro hazo sy tanana. Arotsaka tsikelikely ny farine sy ny levure dia afangaro tsara moramora amin'ny tanana. Ka rehefa tsy miraikitra amin'ny tanana ny paty dia vita izy izay. 
3. Saromana lamba maina dia avelao hilona ora iray eo 
4. Rehefa tapitra ny ora iray dia alaina tsikelikely amin ' ny sotro kely dia volavolaina boribory dia avy eo atao lavalava 
5. Afanaina ny menaka atao afo malefaka dia malefaka an ka rehefa mafana dia endasina. Tsy atao be ambilany fa mbola hitombo be izy io an 

 Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur sy fampiharana nataon'i Floras Rasoambelona, Bonbon Mamibe

 

Catégorie: