Cuisses dame

377

Mini - cuisses de dame parfumées à la cannelle 

toy ny mofo baolina izy ity 
 

Zavatra ilaina:

Lafarina 500g
Atody 4
Siramamy 150g
menaka 4 sotro fihinanana
Ronono 5 sotro fihinanana
Vovoka kanela 2 sotrokely
Lalovay simika 2 sotrokely
(Menaka 1/4l anendasana )

 

Fikarakarana azy:

1- Kapohina ny atody sy siramamy mandrapitombony sy miova fotsy ny lokony

2- Alefa ny menaka sy ronono dia afangaro tsara

3- Afangaro ny lafarina, vovoka kanela sy lalovay dia araraka tsikelikely sady afangaro mafimafy mandrapahazoana "boule de pate" anakiray.

4- Rehefa mitambatra tsara ilay "boule de pate" dia avela mipetraka kely adiny 1

5- Tapatapahana dia volavolaina amin'ny tanana amin'izay 

6- Endasina amin'ny menaka mafana 
 

Mazotoa o 

de Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

 

Catégorie: