Cupcakes

577

CUPCAKES

ZAVATRA ILAINA ;

mahavita 24 cupcakes:
200 g lafarina
100 g Maïzena 
250 g dibera malemy
8 atody
1 lalovay simika
4 càs ronono
1 càs lavanila ranony
sira 1 tsongo

FIKARAKARANA;

Afanaina ho 180 degré ny lafaoro
Kapohana mandritra ny 5 min dibera halemy tsara, alefa tsirairay ny atody ary kapohana foana mandrapa tapitr'ilay atody.
Arotsaka tsikelikely ny siramamy ary tsy mijanona miharo mihitsy.
Atambatra ny lalovay sy ny lafarina, dia tatavanina. Arotsaka intelo io lafarina io amn'ilay fangaro teo. Ary haroana tsara mba ho levona daholo ny lafarina.
Arotsaka amin'ny farany ny ronono sy ny sira kely.

Asiana "caissette" tsirairay ny lasitra cupcakes dia araraka 3/4 ny "caissette" ihany ilay pâte.

Ampidirina lafaoro mandritra ny 20-25 min eo eo.

Ny glaçage napesaiko teo dia:
Crème au beurre(nasiana karazana colorant)
Ganache au chocolat montée :
 hafanaina ny "creme liquide" dia arotsaka eo amin'io ny chocolat efa voatetika, hafangaro moramora, ampidirina frigo 4h dia avy eo kapohana amin'ny "batteuse",
dia aveo koa manao chantilly sy Crème patissière mifangaro.

Nahandron'i Ny Aina Rakotoarijaona

 

Catégorie: