Dessert aux fraises

973

TSINDRIN - TSAKAFO : DESSERT AUX FRAISES notsorina (12 ramequins) :

ZAVATRA ILAINA:

Frezy 500g
Siramamy 4 hatramin'ny 6 sotro eo ho eo
biscuit 1 fonosana ( spéculoos, na sablé, sns... rehefa azo potehana ka mamasipasika)
sucre glace 3 sotro eo ho eo (arakaraky ny hitiavanao ny hamaminy)
crème liquide 30 à 35°/° matières grasses : 250 ml + mascarpone 250g **

** afaka atao crème liquide fotsiny 500ml
** afaka atao fromage blanc fotsiny koa 500g

FIKARAKARANA AZY:

- Andrahoina anaty "casserole" ny frezy voadio sy ny siramamy (tsy asiana rano). Rehefa hitanao fa masaka dia potserina amin'ny "mixeur plongeant" na amin'ny tanana koa e,
avela hangatsiaka

 Raha mampiasa mascarpone :

- kapohana ny "mascarpone" sy "sucre glace", arotsaka ao avy eo ilay "crème liquide" dia kapohana indray. 
- Vita rehefa hitanao fa misy dian'ny "fouet" manaraka na rehefa ingainao dia misy mijanona tsy milatsaka intsony eo amin'ny "fouet".

>> Raha tsy mampiasa mascarpone fa "crème liquide" :
- kapohana miaraka amin'ny sucre glace koa mandra-pahazo toa ny teo aloha.

- Atao anaty taratasy ilay biscuit dia totoina amin'ny "rouleau" na tavoahangy ( tsy atao vovony be )

Fandaharana azy anaty "ramequin" :

- Alahatra ny ramequin 12 isa, andrarahana 1sotro amin'ilay biscuit voatoto isaky ny ramequin tsirairay.
- Saromana amin'ilay crème nokapohana teo (1sotro – 1sotro sy tapany)
- araraka eo amboniny ilay frezy voapotsitra 2 sotro eo 
- saromana amin'ilay crème nokapohana 
- rarahana ilay vovoka biscuit ny tapony (VITA)

Avela anaty vata fampangatsiahana 4 ora farafahakeliny, fa tsara kokoa raha ny alina manontolo.

Mazotoa o !

Nahandron'i Vero Randriam 

 

Catégorie: