dessert hafakely

113

Raha mba te-hanao dessert mafana ndray ianao anefa tsy misy four dia ity atao:

kapohy ny atody 2 na telo, miaraka à siramamy 2 na 3 sotro lehibe.

asio farine 4 sotro lehibe eo ho eo koa. Raha somary maina loatra dia ampio ronono masaka kely.

Alaivo ny lapoaly dia asio menaka kely fotsiny, dia hafanao amin'ny afo antonony fa tsy mamay be loatra.

Rehefa tsara kapoka tsara ilay fangaro dia arotsahy ao anatin'ilay lapoaly, dia avelao ho mendy ( fa tsy may), dia avadiho moramora mba tsy ho potika ary esory avy eo ambonin'ny fatana ilay izy.

Voasy sy alamino arak'izao nanaovako azy izao ireo voankazo : akondro pomme, mananasy, fraise ary voaloboka raha tsy mahita raisin sec ianao.

Dia avereno ataingina ambony afo indray ilay izy mba ho masaka ny ao ambadik'ilay pâte, saronana mba handray hafanana koa ireo voankazo eo amboniny.

Dia izay dia vita !

Dia mazotoa homana

de Holinirina Ramanankasina

 

Catégorie: 
Matériels: