Donuts au chocolat

775

DONUTS AU CHOCOLAT

Zavatra ilaina :

  • ronono 180ml
  • dibera 60g
  • siramamy 65g
  • lalovaina mofo 1
  • lafarina 420g
  • sira 1 tsongo
  • atody 2.
  • sôkôla noir 70%

Fikarakarana azy :

- Afangaro ny ronono matimaty sy lalovay 10minitra.
- Arotsaka ny atody 2, afangaro.
- Arotsaka amin’izay ny lafarina, siramamy, sira dia volavolaina tsara, ary amin’ny farany vao afangaro tsara ny dibera malemy.
- saronana dia avela hitombo avo 2 heny mandritra ny 1 ora.
- Fisahana amin’izay, tokony 1sm, raisina ny vera dia manao boribory maromaro, avy eo asiana lavaka amin’ny tànana indray ny eo afovoan’ny boribory tsirairay.

- Atao ambony taratasy zay vita, saromana lamba dia avela hitombo indray ireo boribory. Aza misalasala manisy lafarina raha lena loatra. - Hafanaina ny menaka mampitsingevana azy, tsy atao mamay be. Arotsaka ny boribory, avadika rehefa menafify ny lafiny 1, vita rehefa menafify ny lafiny 2.
- Empoina ny sôkôla, ary atohofy eo amboniny ny donut tsirairay. Asiana haingony izay tiana (coco, pepites, siramamy, ...).
"Glaçage au sucre" koa tsara.
Mazotoa o!

Nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: