Endives et tomates farcis

433

ENDIVES SY VOATABIA VOASESIKA

ZAVATRA ILAINA :

- Vomanga (patates douce)
- Thon am-bifotsy
- Endives
- Tomates cerises(lavalava)
- Fondu (fromage vache qui rit)
- Tongolo(milona)
- Sakamalaho (milona)
- Mayonaise
- Atody

 Fitaovana ilaina:

hety,
antsy,
vilia

Fikarakarana azy :

 Ireto no atao amin'ny Endives :
*Sarasarahina ny ravin'ny endives dia sasana tsara.
- Hetezana lay vodiny fotsy
- Avadika ,fisahana ny afovoany (mba hipetraka tsara)
- Tetehana ny vomanga (patate douce) andrahoina tsy atao malemy loatra, ampangatsiahana
- Atao « oeuf dur » ny atody alaina ny tapotsiny tetehina madinika -Maka sakamalaho milona tetehina madinika
- Atao anaty « bol » ny fromazy dia potehina asiana tongolo sy sakamalaho nilona
- Vohaina ny « thon » asiana lay menaka ilay fromazy, afangaro tsara
- Alaina ny vomanga asiana ilay tapotsiny
- Atao miaraka daholo ireo voalaza ireo afangaro tsara *(azo asiana sira fa tsy voatery an) Atao ambony ravin'endive tsirairay, dia alahatra amin'ny lovia.

Ny Voatabia indray :
*Didiana ny voatabia tsy atao amorony loatra
- Avadika anasorana kely ny lohany(mba hipetraka tsara)
- Esorina ny ao anatin'ny voatabia , anesorana kely koa ny ao anatin'ilay sarony
- Hetezana ny raviny kely maitso eo ambony tahony

- Ny sesika ao anaty voatabia:
- Atao anaty « bol » ny tamenany (jaune d'oeuf)
- Asiana tongolo sy sakamalaho nilona
- Arotsaka ny « thon » sy ny « mayonnaise », afangaro tsara, asesika ao anaty voatabia dia saromana ary alahatra ambony vilia.

Mazotoa o 

Nahandron'i Lila Rajohnson